Tsena: Tafakatra 5 500Ar ny kilaon’ny siramamy

Nisondrotra tampoka ny vidin’ny siramamy eny an-tsena. Manodidina ny 5 500Ar ny iray kilao raha toa ka 4 700Ar izany teo aloha.

Nahitam-piakarana avokoa ny ankamaroan’ny vidin’
entana andavanandro. Ankehitriny, 5 500Ar ny kilaon’ny siramamy mena raha toa ka 4 700Ar izany teo aloha. “Nanomboka ny tapaky ny volana novambra teo no nisy ity
fiakarana ity”, hoy ny fanazavan’i Rija, mpivarotra iray eny Analamahitsy. Nilaza izy fa manodidina ny 800Ar eo ny fiakarana tao anatin’ny tapa-bolana ho an’ny siramamy mena (vokarina eto an-toerana) sy fotsy izay hafarana avy any Brésil. Mahalana ny nahitana siramamy nialohan’ny fiakarany. Nidangana avy hatrany kosa ny vidiny nony niparitaka teny
an-tsena. Noho izay, “nampihena ny vokatra amidiny ny ankamaroan’ny mpivarotra, misy mihitsy ireo nisafidy ny tsy hiva­rotra izany intsony noho ny tahotry ny tsy hahalafo”, hoy kosa ireo mpivarotra sasany. Ho an’ny siramamy fotsy, niakatra ho 5 400Ar ihany koa ny kilao raha toa ka 4 600Ar teo aloha.
Tsena iraisam-pirenena

Miantraika maneran-tany ny fihenan’ ny siramamy vokarin’ny firenena Brezi­lianina, noho izany, miakatra ny vidina eo amin’ny tsena iraisam-pirenena izay misy akony eto Madagasikara. Ankehitriny, manodidina ny 245 000Ar ny siramamy mena amin’ny gony 50 kilao raha toa ka manodidina ny 230 000 Ar izany teo aloha. Tafakatra hatrany amin’ny 250 000Ar kosa ny gony iray 50 kilao ho an’ny sira­mamy fotsy raha toa 235 000Ar teo aloha. Matiantoka tanteraka ireo mpivarotra, mihena ny fanjifan’ny daholobe ny vokatra. Mihena ny fahefa-mividin’ny tokantrano tsirairay, manampy trotraka ny fitotongan’ny Ariary. Ny taona 2022-2023, nahatratra 161 784,33 taonina ny fanjifana siramamy eto Madaga­si­kara, raha 91 570 taonina kosa ny famokarana. Nitotongana ihany koa ny fanondranana noho izy 4008,06 t monja nandritra ireo taona ireo. Tafakatra hatrany amin’ny 74 222,39 t kosa ny vokatra afaran’i Madagasikara. Nafarana avokoa ny 70% amin’ireo vokatra eny an-tsena raha toa ka 30% monja no vokarina eto an-toerana.

Henintsoa Hani

Partager sur: