Madagasikara: mamokatra lomotra mena 2000 t isan-taona

Seha-pihariana anisan’ny mampidi-bola ny famokarana lomotra mena (ahidrano). Azo trandrahina maharitra mihoatra ny jono izy ka azon’ny rehetra atao. Mahatratra hatrany amin’ ny 2000 t isan-taona ny vokatra avy eto Madagasikara. Mi­tombo ao anatin’ny 15 andro ny lomotra mena ary amidy
1 100Ar ny kilao. Manodidina ny 2 500 ny mpanjono mise­hatra amin’izany ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Menabe ary Sava. Fantatra kosa fa vehivavy avokoa ny 35% amin’ireo mpisehatra amin’ ireo fari-dranomasina ireo. Azo tsapain-tanana ny fampandrosoana azo avy amin’ny famokarana, noho izy mampiroborobo ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka. Manome asa ho an’ ny tanora izy ary fidiram-bola maharitra ho an’ny mponina any amorontsiraka ny famokarana lomotra. Azo ampivadiana amin’ny jono izy hampiroboroboina ny toekarena fa indrindra ny fampivoarana ny fiainan-tokantrano. Ankoatra izay, misy ireo tetikasa misehatra amin’ny famokarana ny lomotra mena amin’ny fampihenana ny tsindry ataon’ny olombelona amin’ny vokatra samihafa an-dranomasina sy hiarovana ny harena an-dranomasina.

Henintsoa H.

Partager sur: