Hamokatra mena-boanjo 5000 litatra isam-bolana ny taninketsa indostrialy napetraka ao Ankadinondry Sakay, raha toa 2000 litatra izany nandritra ny andrana natao. Vonona hiara-hiasa amin’ny fitondram-panjakana ny ben’ ny Tanàna ao an-toerana raha nilaza kosa ny solombavambahoaka voafidy tao Fenoarivobe, Randrianarisoa Bien Aimé Arsène, nandritra ny fametrahana ny taninketsa indostrialy, ny faran’ny herinandro teo, fa maro no hisitraka ny tetikasa. Notohizany fa ho avy hivarotra ny voanjony any an-toerana avokoa ireo tantsaha any amin’ny faritra hafa, toy ny distrikan’i Fenoarivobe noho ny faritra nisitraka milina. Mivondrona ao anatin’ny kaoperativa Soa iombonana Ankadinondry (KSIA) ireo tantsaha mpamboly voanjo mamatsy akora fototra ny milina famokarana menaka. Araka izany, hahita lalam-barotra no hahazo tombontsoa amin’ny famokarana ataony. Ankoatra izay, nisitraka ny milina mamokatra voanjo ihany koa ny kaominina Analavory, distrikan’i Miarinarivo, ny sabotsy teo. Hanampy amin’ ny fampiroboroboana ny famokarana ny tetikasa noho izy hampihena ny fanafarana menaka avy any ivelany fa indrindra amin’ny fampiroboroboana ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka. Hanampy amin’ny fahazoana sakafo ho an’ny kisoa sy ny akoho ihany koa ny fanodinana voanjo any an-toerana.
Henintsoa H.




