Nanome asa sy nampidi-bola ho an’ny tantsaha mpamokatra ny taninketsa indostrialy isaky ny distrika. Hotohizana ny tetikasa hoentina hampiroborobo ny famokarana anatiny.
Fampiroboroboana ny indostria eny ifotony. Io ny tanjona napetraky ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana tamin’ny alalan’ny tetikasa One district one factory (ODOF) na distrika iray ozinina iray. Tao anatin’ny 11 volana, maherin’ny 40 ny distrika nisitrika ny taninketsa indostrialy, izany hoe, milina miisa efatra amina distrika efatra samihafa.
“Orinasa eny ifotony natao hanatsarana ny fiainan’ny tantsaha sy ny kaoperativa ny taninketsa indostrialy. Fanamby napetrany ny hisian’ny ozinina isaky ny distrika rehetra”, hoy ny fanazanvan’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana, Razafindravahy Edgard. An’arivony, araka izany, ireo olona nahazo tombontsoa mivantana sy ankolaka tao anatin’ny tetikasa ODOF.
Hitohy
Mahomby ny tetikasa ary mbola hotohizana ny fampiroboroboana ny indostria noho izy anisan’ireo laharam-pahamehan’ny fanjakana. Mila ampitomboina ny famokarana anatiny hialana amin’ny fanafarana avy any ivelany. Tsy ho simba ihany koa ireo vokatry ny tantsaha fa misy mandray mba ho an’ny fidiram-bolany sy ahafahany manangan-javatra. Maherin’ny 1000, araka izany, ireo nahazo asa mivantana sy ankolaka tamin’ny alalan’ny ODOF. Anisan’ireo taninketsa indostrialy napetraka ny milina hanodinana tantely, ny fanodinana voanjo ho lasa menaka, fanaovana kafe, ny fanodinana ronono ho lasa Yaourt na fromage. Tao koa ireo milina fanamboarana chips, fanodinana paoma ahazoana cidre, milina fanodinana voatabia sns.
Henintsoa Hani