Tsenaben’ny mpandraharaha : manampy amin’ny fitadiavana lalam-barotra

Nanomboka omaly ka hifarana ny sabotsy izao ny Tse­naben’ny mpandraharaha, andiany fahenina. Hetsika karakarain’ny Madagascar Entreprises Développement (MED) etsy amin’ny zaridai­nan’Antaninarenina ahafahan’ ireo mpandraharaha samihafa mampiranty ny vokatra ataony. « Tanjona napetraka ny hitadiavana lalam-barotra, ny fampitomboana ny rantsam-pifandraisana fa indrindra ny fanomezan-danja ny vokatra mala-gasy », hoy ny fanazavan-dRazanadrakoto Ambinintsoa, filohan’ny Club MED. Nilaza izy fa fotoana hifaneraseran’ ireo mpandraharaha amin’ny mpanjifa ny efatr’andro hanaovana ny hetsika izay hiandrasany toromarika sy sosokevitra hanatsarana ny vokatra ataony. Araka izany, manao varotra fampirantiana eny an-toerana avokoa ireo mpandraharaha nisitraka fiofanana tao amin’ny Club des entrepreneurs MED sy ireo hafa naniry haneho ny fahaiza-manaony.

Toekarena

Manandratra avo ny sehatry ny toekarena ny tontolon’ ny fandraharahana noho izy manome asa sy manokatra lalam-barotra ho an’ny tsena iraisam-pirenena fa indrindra manome lanja ny vokatra malagasy. Mazàna mbola tsy ampy tohana sy tantsoroka ary traikefa ireo orinasa vao misandratra ka maty ao ana­tin’ny roa taona nijoroany. Manodidina ny 20% ihany koa ireo manohy ny fihariana aorian’izay noho ny fisondrotry ny vidim-piainana sy ny maro hafa.

Henintsoa Hani

Partager sur: