Tandremo ny mpanolana !

 

Handao hiresaka trangam-piarahamonina mampivarahontsana isika anio. Tsy sanatrian-dresaka hanimba ny « ambiasy » amin’ny fianianan’ny filohan’ny Repoblika akory fa tena tsy maintsy potserina. Misy vay maharary tsy maintsy vakiana. Ity resaka fanolanana ankizivavikely na ankizilahikely ity.
Ny tena loza mihatra, ilana fandraisana fepetra hentitra dia ny mpianatra samy mpianatra mifanolana. Mahazo vahana ny tovolahikely, midoroka sy mametaveta tambabe ny lasibatra. Vantanina ny resaka ary tsy hisoronana. Trangam-piarahamonia roa samy hafa no nanaitra tato anatin’ny herinandro. Mitovitovy ny zava-niseho.
Sintonina ny lakolosy anio, amin’ny fiparitahan’ny akora simika na fanafody, manaitra ny filan-dratsin’ny tovolahikely. Mahatonga azy ireo hanita-tsaina amin’ity asan-tarika atao any an-trano ka hanimbana mpiara-mianatra ity. Misy ny olon-dehibe mivarotra na mizara ireny, matoa tonga eny am-pelatanan’ny ankizy. Misy ny mpamongady sy mpamatsy ireo mpijirika. Tsy azo tazanim-potsiny izany, mila fandraisana fepetra amin’ny mpitandro filaminana sy ny manampahefana isan-tsokajiny.
Entanina ny ray aman-dreny mba haka ny andraikitra tandrify azy ihany koa. Indrindra amin’ny fanaraha-maso ny ankizy sy ny zatovo. Tsy vitan’ny famelomana amin’ny sakafo na ny trano fialofana ny fitaizana. Mila fanaraha-maso sy fanohanana amin’ny andavanandrony. Efa zava-dehibe na ny fijerena akaiky ny fandaharam-potoanany any am-pianarany aza.
Toraka izany ny tomponandraikitry ny sekoly. Raha misy ny fotoana malalaka tsy hisian’ny fampianarana, tokony hametraka lamina izy ireo amin’ny tsy fahafahana mivoaboaka ny faritry ny sekoly. Ilaina ny fanomezana toromarika ny ankizy tsy hifampitaritarika any amin’ny mangingina na any amin’ny toerana tsy mahamety izany. Samia mitandrina sy mailo amin’ny mpanolana.

r.r

Partager sur: