Nifarana, omaly, ny hetsika “Anjara hetrako”, nokarakarain’ny foiben’ny fitantanan-ketra (Direction générale des impôts) tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina nandritra ny Tsenaben’ny mpandraharaha. “Natao hanamorana ny fampidirana an’ireo mpandraharaha madinika sy tena madinika eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna ny hetsika”, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny sampandraharaha ny fampiroboroboana ny olom-pirenena ara-ketra, Randrianomanana Imiangaly. Tao anatin’ny telo taona nanaovana ny hetsika, izany hoe, hatramin’ny volana oktobra 2020, niampy 41.000 ny mpandoa hetra. Navitrika ny olona amin’ny fandoavana izany taorian’ny fidinana an-tsehatra toy izao, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Taorian’io, niitatra tany amin’ny faritra samihafa ny hetsika “Anjara hetrako”. Tsiahivina fa manodidina ny 1.475.000 ny mpandoa hetra manerana ny Nosy, ny taona 2022 raha toa ka 375 izany ny taona 2019. Malaina mandoa hetra ny ankamaroan’ny olona. Tanjona ny hampiakarana ny tahan’ny fandoavan-ketra ho 2.000.000 hatramin’ny faran’ny taona.
Henintsoa H.