Amin’ny Malagasy, ao an-trano ihany no karakaraina ny zokiolona, ray aman-dreny, satria izay ilay valim-babena. Misy anefa ireo mila fikarakarana manokana amin’ny fahasalamana sy ny lafiny hafa. Efa manana ivontoerana mamaly ny filàna ny eto amintsika.
Nanamarika sahady ny Noely ny toerana fandraisana zokiolona, Centre la bonté Andraisoro, ny faran’ny herinandro lasa teo, teny an-toerana. Niorina ny volana aogositra 2021 ny foibe ary 14 amin’izao ireo zokiolona mipetraka sy karakaraina ao. Efatra isam-bolana kosa ireo mandalo mandritra ny fotoana voafetra, arakaraka ny filàn’ny fianakaviana, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Matetika ireo olona mipetraka any ivelany ka tsy afaka hisahana ny ray aman-dreniny no mametraka azy ireo ao amin’ny ivontoerana. Mikarakara sakafo, ny fahasalamana ary ny fialambolin’izy ireo ny mpiandraikitra ny ivontoerana. Mpitsabo, Ramanadrafaliarisoa Florienne rahateo no nanorina azy ho fiahiana ny zokiolona. Noelin’ny zokiolona no anaran’ny hetsika, nosantarina tamin’ny fanompoam-pivavahana ary narahana fiaraha-misakafo tamin’ny zokiolona sy ny fianakaviana sady notronin’ny mpiasa rehetra.
Hetsika fialamboly maro
Ankoatra ny fandraisana an-tanana, manana hetsika fialamboly maro ny ivontoerana ary ezahina hiovaova izany: fikarakarana zaridaina, fianarana mahandro, karaoke, zumba, fandehanana an-tongotra… Mbola betsaka ny olona misalasala manatitra ny fianakaviany hokarakarain’ny olon-kafa satria manan-danja aminy ny ray aman-dreny nefa mila olona mitovy taona aminy afaka miriaria isan’andro ny zokiolona. Tsy vitsy koa ireo manana tsy fahasalamana mitaky fanaraha-maso miaraka amin’ny olona voaofana handray an-tanana. Natao hitondra vahaolana ho amin’izany avokoa ny ivontoerana.
Ho an’ireo maniry hitazona ny ray aman-dreniny ao an-trano ihany fa mitady olona vonona hikarakara azy, manana olona mahavaly ny filàna izy ireo. “Anisan’ny misoroka ny aretina maro toy ny Alzheimer… ny fanohizana ny fifandraisan’ny zokiolona amin’ny manodidina azy”, hoy ny mpitsabo.
Vonjy




