Anisan’ny firenena mandefa sary mamoafady betsaka indrindra maneran-tany ny eto amintsika. Mitombo ny trangana herisetra sy fanararaotana ara-nofo mihatra amin’ny ankizy eto Madagasikara. Noho ny tsy fahaizana mampiasa internet, raha ny fanadihadiana nataon’ny Ecpat France. Mahatratra hatramin’ny 80 000 000 ny sary mamoafady miparitaka maneran-tany. 79 000 kosa ny sary mamoafady miparitaka eto Madagasikara. Lasibatra amin’izany, ny 87 % amin’ny ankizy mampiasa internet. Manodidina ny 13 hatramin’ny 17 taona eo. Ankizivavy avokoa ny 47% amin’izy ireo. 41% kosa ny ankizilahy. Misy ny mpanararaotra eto an-toerana sy avy any ivelany amin’izany. Masoivoho amin’ny fampanajana ny zon’ny ankizy eto Madagasikara, i Mahatanasoa Andraina. Sarotra ny ezaka raha ho an’i Madagasikara. “Tsy mihatra ny lalàna. Manjaka ny kolikoly sy ny fitiavan-tena be loatra ataon’ny olona ny anton’izany”, hoy izy. Ilaina ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay amin’ny fampiharana ny lalàna. Eo koa ny fanabeazana amin’ny fampiasana ny internet. Hamafisina ihany koa ny fanaraha-mason’ny ray aman-dreny ny zanany.
Mino




