Tahirimbolam-panjakana : tafapetraka ny tondrozotra « Schéma directeur des réformes »

Natolotra teo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ny tondrozotra «  Schéma directeur des reformes »,  hitantanana ny tahirimbolam-panjakana mandritra ny dimy taona.

Narafitra ao anatin’ny « Schéma directeur des réformes » (SDR) ireo paikady sy fanavaozana rehetra hampandrosoana ny tahirimbolam-panjakana mahomby ka handraisana anjara feno amin’ny fitomboan’ny fiharian-karena. Entina hitantanana ny tahirimbolam-panjakana ao anatin’ny dimy taona ho avy (2023-2028) ny tondrozotra SDR. « Misy anefa ny fanavaozana roa izay tokony ha­rindra miaraka ao anatin’ny minisitera », hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, nandritra ny fanolorana ny tetikasa, ny alakamisy teo. Ao anatin’izany ny momba ny fiofanana sy ny fifandraisana ara-kajy mirindra. Mifanindry an-dalana amin’ny fanatsarana rehetra miainga eo anivon’ny minisitera ny SDR, indrindra eo amin’ny lafiny fitantanana ny volam-panjakana sy ny ady amin’ny kolikoly. Ilaina ihany koa izy io ho an’ ny fifanoloran-tanana avy amin’ireo rantsamangaika rehetra ao anatiny. Novela­belarin’ny tale jeneralin’ny tahi­rimbolam-panjakana, Rajaofetra Andry Nirina, nandritra izay ny momba ny tondrozotra sy ny soridalana handrafitra azy.
Tetikasa

Soridalana stratejika enina sy tanjona manokana 20 ary asa 61 no mandrafitra ny tondrozotra. Ao anatin’izay ireo tetikasa telo misy ny fampanarahana ara-toetrandro ny rafitra ara-kajy mirindra, ny fanatsarana araka ny fenitra ny asa aman-draharaha, ny tolotra sy ny vokatra anatiny ary koa ny fampiroboroboana ny lafiny maha olona ny mpiasa. Nandalo dingana maro ny famolavolana ny SDR. Mbola maro koa ny ezaka tokony hatao entina hanatanterahana ny tondrozotra. Na izany, vonona hiara-hisalahy ireo tomponandraikitra samihafa eo anivon’ny minisitera voakasiky ny tetikasa.

Henintsoa Hani

Partager sur: