Tafakatra hatrany amin’ny 5 800t ny vokatra bio naondran’i Madagasikara ny taona 2020, raha toa ka 800t monja izany ny taona 2009. Anisan’ireo firenena mpanondrana vokatra bio betsaka indrindra maneran-tany ny firenena malagasy. Manodidina ny 35% amin’ireo vokatra naondrana ny kakao, legioma 20%, voankazo ny 12%, hanitra fanao amin’ny sakafo ny 22% raha toa ka zavamaniry misy hanitra ny 6% ary lavanila ny 3%. Manodidina ny 112 000ha ny tanim-pamokarana biolojika eto Madagasikara ny taona 2021, raha toa ka 14 000ha monja izany ny taona 2009. Ao anatin’izay ireo tantsaha mpamokatra hatrany amin’ny 70 000 isa ary mpandraharaha 350 voamarina fa manara-penitra sy tsara kalitao ny vokatra ataony. Manomboka maro mpahafantatra sy malaza ny vokatra malagasy noho ny ezaka nataon’ny sehatra tsy miankina sy ireo mpiantsehatra samihafa. Miroborobo ihany koa ny vokatra ary mahasahana ny any ivelany. Nisy ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Syndicat malagasy de l’agriculture biologique (SYMABIO) sy ny GIZ tamin’ny alalan’ny tetikasa “PrAda”, ny zoma teo, tetsy Ivandry. Tanjona ny hampiroborobo ny famokarana biolojika sy ny hampandroso ny toekarena malagasy.
Henintsoa H.