Anosy – Analakely: henjana ny fitohanana…

Efa nanomboka ny herinandro lasa teo ary mbola hitohy amin’ity herinandro mialoha ny Krismasy ity ny fitohanana lavareny manodidina an’Anosy, Behoririka sy Analakely. Lasa lalan-tokana sisa avy any Analakely midina ho any Behoririka fa feno olona sy mpivarotra ny arabe ka sahirana ny mpamily fiarakodia. Miezaka mandamina ihany ireo mpitandro filaminana nasionaly sy kaominaly fa be loatra ny mifamezivezy ka sarotra ny asany. Midina ety amin’ny faritry ny arabe ny mpivarotra mandra-paharivan’ny andro, hatramin’ny alahady.
Samy mikaroka vola ka ny varotra no fomba haingana hahazoana tombony, hoy izy ireo.
Raha miainga avy any Anosy ho aty Behoririka na Antanimena, ora iray sy sasany vao tafavoaka ny fiara sy ny taxi-be. Lany andro ao anaty fitohanana ny rehetra. Mimenomenona ny mpamily sy ny mpanampy fa «tour» efatra monja dia hariva ny andro nefa ny vola harotsaka any amin’ny mpampiasa tsy azo bangaina mihitsy. Mivoaka miasa maraina be ihany ny taxi-be fa raha vao mivoaka daholo ny fiara madinika mitondra mpiasa sy mpianatra dia tsentsina ny lalana. Aleo mitady lalan-kafa fa tsy miditra ao Analakely sy ny manodidina raha tsy misy anton-dia manokana.

Vonjy

Partager sur: