31 taona i R.L na i Soa vadin’i Rolà, jiolahy raindahiny, anisan’ny nampitondra faisana an’Ankazobe. 12 taona nivadiana sy nanafenana am-badiny izy. Mbola ifampitadiavana kosa ilay rangahy.
Mbola ifampitadiavana i Rolà na Randrianantenaina Rolland, raim-pianakaviana , 28 taona. Manambady, tokantrano imaso, manan-janaka enina. Anisan’ ny jiolahy raindahiny, ifampitadiavana any Vonizongo sy Betsiboka, ary hatrany Anjozorobe. Valo taona nanaovana dahalo izy saingy tsy mbola tra-tehaka, raha ny fijoroana vavolombelona nataon’ny vadiny. «Tsy mbola namono olona kosa izy fa tena nandripaka sy nalaza vao fanafihan-jiolahy sy halatra omby», hoy ny fitantaran-dramatoa vadiny. «Efa niova fo izy tao anatin’ny iray taona izay. Niezaka ny namboly sy nanampy ahy tamin’ny famelomana ny zanakay izy saingy noho ny namana avy ivelany dia voatarika indray», hoy hatrany ny mpitantara. Telo lahy izy ireo no mpiaraka sy mpinamana mahatoky. Voatifitry ny zandary ny alin’ny zoma lasa teo, tany amin’ny manodidina an’Ankazobe ny namany roa lahy. Andrasan’ny fianakaviany sy ny vadiny mba hitolo-batana izy.
Mafy vava
Etsy ankilan’izany, jamban’ny fitiavam-bady i Soa, ilay renin-janany. Renim-pianakaviana 31 taona, tazonina ho mpiray tsikombakomba sy fanafenana olon-dratsy. Mihidy vava, tsy mety manondro izay toerana mety ahitana an’i Rolà. Voasambotra fanindroany izy. Nisy ny fifampiraharahana natao taminy tany am-boalohany, araka ny fanadihadiana natao tany Manerinerina, Ankazobe. «Navotsotra izy satria nanaiky ny hanondro ny toerana misy ilay jiolahy raindahiny izay vadiny. Indrisy, nitsoaka tany rehefa navoaka ny toeram-pamonjana tao amin’ny zandary», hoy hatrany ny tomponandraikitry ny famotorana azy. «Tsy nety ny nataoko, tena tsy maintsy nitsoaka sy nilentika tany an-tanàna aho fa tsy te higadra. Tsy te ho faty ihany koa aho fa natahotra ny vadiko», hoy ny fiarovan-tenany.
Tsy mety mibaradaka na manondro ny toerana ahitana ny vadiny izy mandritra ny famotorana. Misafidy ny hibaby ny helok’ilay rangahy.
Fitiavana sy fijaliana
Toy ny mpivady rehetra, miray petsapetsa amin’ izay atao ao an-tokantrano i Soa sy i Rolà. Na milaza ho nampijaliana sy niaritra ny maha jiolahy azy aza ity renim-pianakaviana ity, niteraka dimy be izy roa tao anatin’ny 12 taona niaraha-nipetraka. Enina kosa ny zaza iaraha-manana, satria niteraka tsy nanambady i Soa mialoha ny niarahan’izy roa. Manana tanimbary, miompy akoho sy kisoa i Soa, raha ny filazany. Vola izay nolazaina fa azony tamin’ny fomba madio. «Efa imbetsaka aho no tokony ho nisaraka taminy, saingy noho ny fandrahonana ho faty dia milefitra foana hoe tsy maintsy manaiky azy», hoy ny fitantarany.
Fanazavana izay tsy mitombina, nandritra ny famotorana teny ifotony. Miovaova ny fanazavana, arakaraka ny fanontaniana natao azy. «Anisan’ny mpanohana mahafatra-po ny vadiny izy, ary nisitraka ny vokatra azon-drangahy», hoy ny loharanom-baovao nanaovana fanadihadiana. «Izy mihitsy no mitantana ny vola azon’ny vadiny. Tsy mahagaga, misoratra amin’ny anarany avokoa ny tanimbary sy ny tany azy mivady», hoy ny manampahefana nanamarina ny resaka.
r.r




