Rotsakorana: ampitandremina ny afovoantany

Ambany ny tsindrin’ny atmosfera eto Madagasikara amin’ity herinandro ity, hoy ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Hisitraka orana ny faritra maro ankoatra ny any Atsimo sy Atsimo Andrefana. Hahazo vahana kosa ny oram-baratra ho an’ny faritry ny afovoantany, anio. Mila miomana amin’izany ny rehetra tsy maintsy hivoaka ny trano. Hahatratra hatrany amin’ny 50 hatramin’ny 80 mm isan’ora ny rotsakorana amin’ny faritra sasany.
Namoaka filazana fampitandremana, anio, ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Voakasik’izany ny faritra Analamanga manontolo, Itasy ary Vakinankaratra.
Miankina amin’ny faharefoan’ny toerana no fiantraikan’ny rotsakorana hihoa-pampana. Vinavinaina ny fahasimbana madinika amin’ireo fotodrafitrasa iombonana, fihotsahan’ny tany, fiakaran’ny rano amin’ny faritra iva…

Tatiana A

Partager sur: