FAHATAPAHAN’NY LALANDRA : «Olona iray isaky ny adiny 8 no tratrany»

Miresaka mahakasika ny fahavakisana na fahatsentsenan’ny lalandra (AVC) ny dokotera Razafimahefa Ju­lien, manam-pahaizana ma­no­kana momba ny fo sy ny lalandra, ao amin’ny hopitaly Befelatanana. Nolazainy fa olona 1 isaky ny adiny 8 no tratran’ny AVC eto Mada­ga­sikara. Izay no voarakitra eny anivon’ny hopitaly fa mbola misy anefa ireo olona mijanona any an-trano na eo aza ny fahavoazana fa tsy manatona tobim-pahasalamana.
Manomboka miha tanora ireo tratran’ny AVC. Latsaky ny 50 taona dia efa marary kanefa mbola tokony hamokatra sy ho am-perinasa izy ireny.
Ireo olona misy tosidra avo na misy diabeta dia tsy resy lahatra amin’ny fitsaboana. Rehefa tonga amin’ny fiakaran’ny tosidra avo avy eo dia vaky ny lalandra na tsentsina dia voan’ny AVC. Rehefa miverimberina ny fahatapahan’ny lalandra na dia mbola tanora aza dia tratran’ny “demence” ary lasa miankindoha amin’ny olona, miverina toy ny zaza ireo marary kanefa tokony ho ao anatin’ny hery sy ny fotoana mbola iasany.
Ny tosidra avo dia manimba ny lalandra madinika, toraka izany ny dibeta. Mam­pitombo ny ambana ihany koa ny fiakaran’ny tahan’ny menaka anaty ra, hatavezana, fifohana sigara, ny olona simba voa na tapaka lalandra anaty fianakaviana. Miha matevina ny lalandra madinika dia tsentsina na miha marefo ka vaky. Mety ny lalandra lehibe koa anefa no lasibatra vokatry ny fiforonan’ny vongan-dra any amin’ny fo ary miakatra any amin’ny loha ilay vongan-dra dia manentsina azy.

*
Tatiana A

Partager sur: