Araka ny loharanom-baovao, nihaona tamin’ny filoha lefitry ny Federasiona iraisam-pirenena (WKF), i Chérif Béchir sy ny filohan’ny UFAK (Union des Fédérations Africaines de Karate), i Mohammed Tahar Meshbahi, ny federasiona ny Karatedo malagasy, tarihin’ny Sensei Emile, ao anatin’ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika, hatao any Durban. Araka ny fanazavan’ny FKM, nandamina ny lafiny ara-pitantanana nanoloana ireto oloben’ny karate ireto izy ireo nandray sy nihaino azy ireo ny WKF sy UFAK. Araka ny fandaharam-potoana, anio maraina no hanomboka ny fifaninanana any Durban, saingy mbola baraingo hatrany aloha hatreto izay karateka malagasy hiakatra an-tsehatra. Nohamafisin’ny ekipan’i Emile fa ny fandaminana ny lafiny ara-pitantanana aloha no nimasoana hatramin’ny talata teo ary ho hita eo ny tohiny.
Mi.Raz