Orange Pro Ligue: hanohy ny ezaka vitany ny Dato FC

Paikady sy ekipa ary fa­nam­by no entina hiatrika ny taom-pilalaovana 2022-2023. “Efa ela niomanana ny Dato FC, ary tanjona ny ho tonga any amin’ny farany” hoy i Landison Edmond, mpanazatra mpanampin’ny Dato FC. Izy ireo izay nanatanteraka fanazaran-tena teny amin’ny kianja Elgeco Plus By pass, ny alakamisy 1 desambra 2022. Fana­zaran-tena fanomanana ny andro fahatelo eo amin’ny “Orange Pro Ligue” na OPL.
Hanafika ny Disciples FC ny Dato FC. Lalao ao anatin’ny andro fahatelon’ny OPL, atao eny amin’ny kianja Elge­co Plus, ny asabotsy 3 desambra 2022. Lavon’ny Jet kintana izy ireo tamin’ny andro voalohany, ary nampiondrika ny Zanakala FC, tao Fianaran­tsoa ny andro faharoa. “Tombo­ny ho anay ny fananana mpilalao tanora sy matanjaka. Miezaka kosa izahay mam­pitombo ny traikefa sy fa­haiza-manaon’izy ireo” hoy ny mpanazatra mpanampin’ny Dato FC.
Mpaanohana tsara sitrapo iray no nanolotra fanampiana ho an’ny mpilalao sy ny mpanazatra ary ny mpitarika, omaly. Nanatontosa izany ny Fikamba­na­na Equipe des Ci­toyens Responsables de Ma­da­gascar – Vitsika na E-CReM Vitsika, notarihin’i Ramatoa Randriana­ri­soa Riana Ray­monde, filoha nasionalin’ny Fikambanana.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: