ASIEF: nahomby ny fikaonandoha tany Toamasina

Nizotra araka ny tokony ho izy ny fikaonandoha natao tany Toamasina, nandritra ny efatra andro, araka ny tatitra nataon’ny filohan’ny Asief (Associa­tion Sportive Inter­mi­nistérielle pour l’Entretien des Fonction­nai­res), Andria­na­rison Jean Aimé (Jhone Love). Mpandray anjara ma­herin’ny 90 avy amin’ny mi­nisitera 15 ny namaly ny antso ary tonga naneho ny heviny ho fanatsarana ny fanatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana. Nisokatra ny ady hevitra mba hampandrosoana ny fikambanana, na teo amin’ny lafiny fifaninanana izany, na ihany koa ny fitsipika anatin’ny fikambanana ary indrindra ny fitsipika ara-teknika. Noraisina avokoa ny fanakianana sy ny sosokevitra nentin’ireo mpandray anjara ka vahaolana maro no hita.

Naato ireo teknisiana 50 isa

Nandray fanapahan-kevitra hampiato avy hatrany ireo teknisiana miisa 50 eo anivon’ny Asief, ny filoha Jhone Love, taorian’ny fikaonandoha mba ho fanatsarana ny lafiny teknika, izay nampimenomenona ny ankamaroan’ny mpikambana. Hisy ny fiantsoana hatao hahafahana ma­nangana teknisiana vaovao, manomboka amin’ny herinandro izao, ka hiova ny ekipa teknikan’ny Asief. Tohin’ny fandaharam-po­toanan’ny Asief, hotontosaina ny 15 sy 17 desambra izao ny famaranana ny « Vain­queur de Cou­pe » karakarain’ny ligin’Ana­lamanga, eo amin’ny taranja basikety sy Volley ball. Tsia­hivina fa any Toamasina ny hanatanterahana ny fifaninanana nasionaly ny Asief, mialoha ny lalaon’ny Nosy, raha ny nambaran’ny filoha Jhone Love ha­trany.

Mi.Raz

Partager sur: