Madagasikara, firenena manana ny teniny, ny satany, ny fombany, ny finoany… Madagasikara, an’ny Malagasy ! Efa zary mahazatra ny maheno ireo rehetra ireo. Ny fahamarinany, tsy misy afenina fa izao iarahan’ny rehetra mahita izao. Ny tsy azo lavina, maro mpitsiriritra ity Nosy ity. Ireo ambara ho « tompony » rahateo, toa malaindaina hiaro ny azy.
Tsy ny famaritana ny atao hoe : «Malagasy» no mahamaika sy laharampahamehana fa ilay fahafantarana ny fototra ijoroan’io maha Malagasy io mihitsy no ilaina satria izay no lamina voajanahary. Ny Malagasy mahalala ny fisian’Andriamanitra Andriananahary eo an-tampon’ny loha. Ny Malagasy manome lanja lehibe ny hasin’ny aina. Ny Malagasy mahalala ny fisian’ny tody. Ny Malagasy mahatandrina fatratra ny fisian’ny fady (olom-pady, fadin-drazana, fadin’ny tsirairay…). Ny Malagasy tsy mitsako alohan’ny vazana, sns. Mbola azo antsoina ho Malagasy ve ireo manimba ireny fototra ? Tsia avy hatrany ny valiny satria ny ankoatra ireo, endrika ivelany ihany !
Mananika ny 30 tapitrisa, hono, ny isan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Izany hoe, mitombo, saingy na izany aza, mahantra Malagasy i Madagasikara. Mbola kely dia kely io isa io raha miohatra amin’ny velaran’ity Nosy ity. Faharoa, efa tsy miaina ilay fototra maha izy azy intsony ny sasany. Mbola Malagasy ihany ve izy ireny ? Tsia, ny endrika ivelany fotsiny tsy ampy ilazana fa Malagasy ny olona ! Ny taratasy «alaina» na «omena» (ohatra : zom-pirenena) tsy midika fa tena Malagasy tokoa ny olona iray… Ireo rehetra ireo maneho fa mahantra Malagasy i Madagasikara.
Mora nobaboina sy nobadoina ny Malagasy
… Satria, very ny fototra, mitsingevana ny Malagasy sasany. Tsy mitehaka intsony amin’i Madagasikara ny tongony. Nohararaotin’ny vahiny izany ka napetrany tamin’ny fomba : «mihaja, mampatahotra, mampihorohoro, mandambolambo…» ny azy. Babo ny ampahany amin’ny Malagasy ka nanjary mora nobadoina. Nihataka tamin’i Madagasikara izy ireny ka nilohaloha ny maha izy ny firenen-kafa. Mihevi-tena ho vahiny ny Malagasy satria efa manaraka ny fombany, hono. Efa mahay ny teniny, hono, sns. Mivandravandra eto fa mahantra Malagasy i Madagasikara.
Tsy Malagasy intsony izany tsy mataho-tody izany. Tsy Malagasy intsony ireo tsy matahotra an’Andriamanitra. Tsy Malagasy tompon’i Madagasikara intsony ny mpivarotra sy mpamadika tanindrazana. Tsy Malagasy intsony ny mpivaro-panahy. Tsy Malagasy intsony ireo tsy mahay manavaka ny lahy sy ny vavy… Vokany, mahantra Malagasy i Madagasikara.
Ankoatra ireo fototra natao tsinontsinona ireo, babon’ny vahiny ihany koa ny tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara. Io anefa no anisan’ny faka mampitsimoka ny hazo izay hiteraka ny voa. Nopotehin’ny vahiny ny rafi-panabeazana iray manontolo eto Madagasikara. Nanjary nitombo isa ireo Malagasy sadasada sy tsy mifanaraka amin’i Madagasikara. Vokany, niha nahantra Malagasy i Madagasikara !
Raha mbola ireo endrika ivelany no hamboamboarina sy iainan’ny Malagasy, tsy hisy fandrosoana sy fampandrosoana ho hita eto Madagasikara. Mila miverina miaina ny fototra ny Malagasy.
HaRy Razafindrakoto