« 74ème Festival du Film de Berlin »: Voafantina ny sarimihetsik’ i Luck Razanajaona

Sarimihetsika fohy miisa 7 sy sarimihetsika lava miisa 6 no voafantina hiatrika ny « 74ème Festival international du film de Berlin ». Ny 15 hatramin’ny 25 febroary 2023, any Berlin, no hanatanterahina ity hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika ity. Anisan’ny voafantina ny “Disco Afrika, “A Malagasy” notontosain’i Luck Razanajaona.
Taorian’ny fandraisan’anjara tamin’ny IFFM, tany Maroc, voafidy handray anjara amin’ny “Festival international du film de Berlin” andiany faha-74, ao amin’ny sokajim-pifaninanana “Génération”, sarimihetsika lava, ny “Disco Afrika, “A Malagasy”.
Horonan-tsary notontosain’i Luck Razanajaona, novokarin’i Jonathan Rubin sy Herizo Rabary. Fandraisan’anjara voalohany eo amin’ny sehatra Eoropeanina izao nahavoafantina azy ireo izao. Raha tsiahivina, Kwame, Malagasy 20 taona, naniry ny hanan-karena amin’ny alalan’ny fitrandrahana vato sarobidy antsokosoko no tantaraina ao anatin’ilay sarimihetsika. Resahina ao anatin’izany ny sedram-piainana nolalovany, manoloana ny maha tanora azy sy ny zava-misy eo amin’ny fireneny. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, ny taona ho avy io no hivoaka amin’ny efitrano fandefasana sarimihetsika izany.
Avy amina firenena 19 ireto mpanatontosa ireto, izay mifaninana amin’ny « 74ème Festival international du film de Berlin ». Misy ny hitondra sarimihetsika vaovao toa an’i Mascha Halberstad, Philippe Lesage, Ingrid Pokropek, Asl Özarslan, Soleen Yusef ary i Luck Razanajaona.

Lin

Partager sur: