Manomboka mametraka ny anarany: hanabe sy hanala voly ny Groupe « V@A »

Na vao haingana aza no nijoroany. Mahatsiaro manana adidy eo amin’ny fiarahamonina ny tanora telo mirahalahy noho ny fananan’izy ireo talenta amin’ny zavakanto.

Tamin’ity taona 2023 ity no nitsangana ny Grou­pe « V@A ». « Vary amin’Anana » Ahitana an’i Rass, Proof ary i Lucas TAN. Telo mirahalahy samy efa nilona ela tao anatin’ny fikirakirana ny hira sy ny mozika avokoa izy ireo ary manavia manavanana amin’ny lafiny famoronana, fitendrena, fandrindrana. «Vary amin’Anana no anarana nasalotra ny tarika noho izahay mivazo amin’ny fiteny frantsay sy malagasy miaraka anatin’ireo sanganasanay, ary manana fomba fijery mivelatra be anatin’ny fa­naovana mozika », hoy i Rass. Ny ahafahana manapariaka ireo tsanganasa manerana ny vazantany efatra, maneran-tany, fa tsy eto an-taninjanaka ihany no anton’ireo safidy ireo, raha ny fanazavany hatrany. Ny gadona Rnb, soca (mozika kiobanina), Afro beat, rap, Hip , sns no iompanan’ny taokanton’ny « V@A » Heno anatin’ny fomba fihira sy fandrindrana ireo hiran’ny « V@A » hatrany kosa ilay « Fanahy » mala­ga­sy tsy hay kosehana ary ilay angolam-peo vitsy mpanana. Tsy mijanona hatreo amin’ny fivoizana ireo gadona ireo ny tarika fa manao asa fikarohana amin’ny fampiarahana azy ireny amin’ny ban-kira hafa mba hanome mozika mitoetra mahatety vanim-potoana. Fikarohana efa vita ny fampiarahana ny RnB amin’ny gadona avy atsy Afrika Atsimo sy ny fampifangaroana gadona maromaro anatin’ny hira iray.
Ireo trangam-piainana marolafy toy ny fitiavana, fitadiavana, finoana, sns, no akora fototra tefin’ny Groupe « V@A » hoentiny manajary ireo sanganasany. Hafatra tsotra, mora raisina nefa mafonja ary sahaza ny rehetra.
Nanentana ireo mpikirakira ny mozika ihany koa ry « V@A » hanao ny asa anatin’ny fahamatorana mba hiteraka vokatsoa ho an’ny kanto malagasy. Ampahany amin’ireo vazo efa maro mpankafy ny «Avelao» sy ny «Sahala».

Nanangona :
HaRy Razafindrakoto

Partager sur: