« Slam national Scolaire » andiany faharoa : efa ao anaty fanomanana ny mpikarakara

Tanàn-dehibe miisa valo no notetezin’ny tomponandraikitry ny Madagaslam, mpikarakara ny “Slam national Sco­laire”, nandritra ny volana no­vambra sy desambra 2023. Tanjona napetraka tamin’izany ny fanofanana ireo maniry ny hitarika atrikasa momba ny “Slam poèsie” eny anivon’ny sekoly. Marihi­na fa dingana voalohany izy ity, ary mbola hisy ny dingana manaraka. Raha tsiahivina, fifaninana “Slam poèsie” ho an’ny sekoly ambaratonga faharoa amin’ny sekolim-panjakana manerana ny Nosy ny “Slam national scolaire”, ary andiany faharoa izao hiomanana izao.
Tsy mikely aina mandrakariva ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Madagaslam, mikaroka izay hampamiratra ity taranja ity eto Madagasikara. Antananarivo, Antsirabe, Antsiranana, Fianarantsoa, Mahajanga, Sambava, Toamasina ary Toliary. Ireo no tanàna nanaovana fampiofanana ho an’ireo maniry hitarika atrikasa momba ny “Slam”, eny anivon’ny sekoly amba­ratonga faharoa, ho fanomanana ny « Slam national scolaire », andiany faharoa. Nahatratra 60 isa ireo mpampiofana vaovao, avy amin’ny tanàn-dehibe valo ireo.
Araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny fikambanana Madagaslam. Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny fikambanana izao famerenana ny fifaninanana ho an’ny katitakely izao. Mbola hisy ny fiaraha-miasa amin’ireo tomponandraikitra samihafa ho fanatsarana sy famelarana ity fifaninanana ity.

Lin

 

Partager sur: