Notanterahina ny 15 sy 16 desambra 2023, teny amin’ny tranombokin’ny Oniversiten’Antananarivo Ankatso, ny hetsika fankalazana ny Andron’ny angovo azo havaozina. Nandray anjara tamin’izany ny vondrona Filatex niaraka tamin’ny fikambanan’ny mpianatra manao fikarohana manokana momba ny angovo azo havaozina eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo. Nisy ny fifampidinihana tamin’ireo tomponandraikitra misehatra momba ny angovo. «Ny vondrona Filatex dia manohana ny fampandrosoana ny angovo azo havaozina ka izany rahateo no anton’izao fiaraha-miasa amin’ny fikambanan’ny mpianatra eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo izao», hoy ny fanazavan’ny tale mpitantana eo anivon’ny Filatex. Miara-miasa amin’ny fikambanan’ny mpianatra eny amin’ny oniversiten’ Antananarivo, araka izany, ny vondrona Filatex, satria anisan’ireo orinasa mpandray anjara lehibe amin’ny famokarana angovo azo havaozina eto Madagasikara izy ireo. Efa misy rahateo ny sampana Filatex énergies izay manamarika ny fidirana mankany amin’ny angovo maitso. Miompana amin’ny tetikasa natokana ho an’ny famokarana angovo azo havaozina, toy ny fanamboarana tohodrano, na ny fametrahana ireo takelaby mitondra herinaratra azo avy amin’ny masoandro ity sampana iray eo anivon’ny vondrona ity. Ny taona 2019 no efa natomboka ny fandaharanasa, toy ny hita ao Mahajanga, Toamasina hatrany Antsiranana sy Toliara.
Jean Claude




