Notanterahina teny amin’ ny Lapan’ny tanànan’Andoharanofotsy, omaly, ny fiarahabana ny mpiasa rehetra eo anivon’ny kaominina Andoharanofotsy. Ho solon’ny fanomezana toy ny fanao isan-taona, nilaza ny ben’ny Tanàna eny an-toerana, Rakotoarimanana Henintsoa na i Maire Tôta fa hasondrotra 25 % ny karaman’ireo mpiara-miasa aminy rehetra eo anivon’ny kaominina, manomboka ny volana janoary.
Natao ho fitsinjovana ny sosialim-bahoaka eny an-toerana izany. «Mendrika ny zava-bitan’ny kaominina tao anatin’izay efa-taona izay, ka mendrika ny hahazo izany izy ireo», hoy i Maire Tôta. Tsiahivina fa ny tenin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry Nirina, ihany no ezahin’ny ben’ ny Tanàna eny an-toerana tanterahina. Ankoatra izay, horaisina mpiasa raikitra ihany koa ireo tanora rehetra ao amin’ny RF2.
Maro ny zava-bitan’ny kaominina Andoharanofotsy nandritra izay efa-taona izay. Anisan’izany ny EPP manara-penitra miisa roa, ny fananganana ny kianja manara-penitra ho an’ny ekipa CFFA Andoharanofotsy, ny fijoroan’ny toeram-pitaizana amin’ny taranja karate “Centre de formation karaté Andoharanofotsy (CFKA)”, ny fanavaozana ireo lalankely…
Fitia Randria