“Ny finoana tokana, ny fanehoana no samy manana ny azy”. Marina tokoa angamba izay, raha tarafina amin’ny zava-misy anatin’ny fiarahamonina tao anatin’ny taona maro izay. “Nozarazarain’ny finoana samy manana ny azy ny fianakaviana”, hoy ny lasa faheno matetika. Tsia, tsy ny finoana ka… Ny finoana tokana ihany : mino an’Andriamanitra, Andriananahary, Zanahary… Na izay filaza ilay inoana fa faratampony indrindra. Ny misy dia na ny mino, na tsy mino.
Endri-panehoana ny finoana ny fivavahana. Na ny karazam-pivavahana sy ny endriny maro… Samy amin’izay fomba mety aminy, araka izay mampety ny tsirairay mihitsy. Endri-pahalalahana ihany koa izay. Fahalalahana izay notakian’ny zanak’olombelona nandritra ny taona maro, ary tiany io. Avelao ny fahalalahan’ny tsirairay, fa tena tiany io…
Krismasy, Noely, ny omaly. Ho an’ny kristianina izay. Raha ny tarehimarika maneran-tany, tsy ny kristianina no betsaka indrindra manerana izao tontolo izao. Ny Krismasy kosa anefa no vanim-potoana malaza indrindra maneran-tany, ary manamarika izany na tsy kristianina aza. Midika izany fa misy fifanajana, na tsy mitovy aza ny fanehoana ny finoana. Misy resaka fihariana avo lenta koa ao ambadika ao vita sinoa avokoa anie ireny kilalao isan-karazany ho an’ny Noely ireny, kanefa ny sinoa tsy manamarika ny Krismasy e?
Fifanajana. Mora tononina, fa saro-tanterahana ho antsika Malagasy. Fomba samihafa isam-poko aza, manahirana antsika. Mainka fa resa-pinoana maneran-tany? Kanefa raha izay no tanteraka, dingan-dava be mankany amin’ny fandrosoana. Eny, fandrosoana, satria lafiny kolontsaina ny olana goavana indrindra ho an’ny fampandrosoana eto Madagasikara, izay vao lafiny politika, fihariana ary toekarena.
Zo ny Aina Randriatsiresy