Goavana. Azo raisina amin’ny lafiny rehetra mihitsy izay, raha hiresaka ny seho tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny alahady 24 desambra teo. « Maman, j’ai raté l’enlèvement » andiany faharoa, nomanin’ny ekipan’ny Centre d’Evangélisation de Madagascar, fantatry ny maro amin’ny hoe Cevam. Ny « comédie musicale » efa fanao sy nisy an-taonany maro. Fa niavaka indrindra hatramin’ny nisian’ny andiany voalohany kosa ny “Maman, j’ai raté l’enlèvement”. Ny lohateniny ihany no notakarina tamin’ilay andian-tsarimihetsika malaza rehefa fetin’ny Noely, « Maman, j’ai raté l’avion ». Ny rindra an-tsehatra sy ny lafiny teknika kosa, tena asan’ny matihanina, raha ny hita tamin’ny alahady teo.
Tantara mifototra amin’ny voalazan’ny Soratra Masina ihany no nolalaovin’ireto mpanakanto sady mpitory ny Filazantsara ireto an-tsehatra. Nanomboka tamin’ny vavaka sy hira fiderana izany, ka nitohy tamin’ny fiantseharana ny tantara, izay nampitolagaga ireo rehetra nanatrika. Nirindra ny fizarana andraikitra. Samy nanome izay lafatra indrindra avy aminy ireo mpandray anjara rehetra, izay tanora ny ankamaroany. Tsy matetika ry zareo no manomana seho toa iny, kanefa mikatsaka ny lafatra ary manankina izany am-pinoana mba hahazoana ny vokatra raitra toa ireny. Maimaimpoana ny fidirana, kanefa tsy natao latsa-danja ny kalitaon-tseho, mba hanatrarana ny tanjona. Nikatsaka ny hanome ny raitra faran-tampony, araka ny sitrapon’Andriamanitra ireo namelona ny seho, ka nitondra aim-panahy nody avokoa ireo nanatrika izany.
Zo ny Aina