Misedra ara-bola ny kaompania Air Madagascar. Tsy misy ny fiaramanidina miantoka ny zotra lavitr’ezaka, toy ny mankany Eoropa. Vahaolana, nentin’ny tale jeneraly, ankehitriny, Thierry de Bailleuil, ny hindramam-bola any amin’ny Banky iraisam-pirenena, ao anatin’ny drafi-panarenana « Phenix 2030 ». Mahatratra 20 dolara ny sora-bola mety ho hampindraminy. Miato ankehitriny ny fitateran’ny Madagascar Airlines mankany ivelany, fa entin’ny orinasa Corsair ny mpandehany.
Niforona ny taona 1961 ny orinasa Madair, niova ho Air Madagascar ny taona 1962. Nanomboka nitatitra nankany ivelany izy ny taona 1970, taty amin’ny ranomasimbe Indiana (OI), Kenya, Afrika Atsimo ary Seychelles. Niampy tsikelikely ny isan’ny fiaramanadiny, niantoka ny zotra lavitr’ezaka, nakany Eoropa, indrindra Frantsa (Paris, Marseille), niampy tany Italia (Milan), Tailandy (Bangkok), Sina, …. Am-polony ny fiaramanidin’ny Air Madagascar, toy ny Twin otter, ny ATR-42 sy ATR-72, ny Boeing, ary taty aoriana ny Airbus. Saika simba, na lany fotoana amin’ny fifanarahana sy fanofana ny ankamaroan’ireo fiaramanidina ireo sisa, mahatonga izao fahasahiranana misedra ity kaompania nasionaly ity.
Njaka A.