Finoana sy fahalalana: resy eto amin’ny taniny ny Malagasy

Desambra, volana farany amin’ny taona iray, ho an’ny fanisana andro gregorianina. Volana mampivandravandra ihany koa fa takona manoloana ny an’ny hafa ny finoana sy ny fahalalan’ny Malagasy.

25 desambra, nahaterahan’i Kristy. 31 desambra faran’ny taona ho any amin’ny taona vaovao manaraka indray. Ny fanisana andro gregorianina no nametraka ireo fa tsy ny Malagasy. Manaraka ho azy ny Malagasy, satria, efa vita sokitra eo amin’ny fiainany ireo vanim-potoana roa ireo. Mahazo tsiny avokoa ireo izay mikaroka sy mamoaka voka-pikarohana ka manohintohina ny voalaza hatramin’izay.

Resy eto amin’ny taniny ny Malagasy. Na tsy maty tanteraka eo amin’ny Malagasy aza ny fahalalana fa misy Zanahary, tsy hita soritra eo amin’ny fiainany intsony ny tena lanjan’izany fahalalany izany. Navelany fa naleony nitodika any amin’ny finoana nentin’ny vahiny. Nanjary finoana ilay fahalalana ! Tahaka izany koa ny fankalazana ny taom-baovao malagasy. Tsy ny voalohan’ny volana janoary velively ny taom-baovao malagasy. Nanana ny fomba fijereny ny kintana amam-bolana ny Malagasy ka avy amin’izany no nahalalany fa mitsingerina ny taona.

Tsy ampy fampahafantarana

Anisan’ny lesoka lehibe eo amin’ny fiainan’ny Malagasy ny tsy fahampian’ny fampahafantarana ny fototra (ny maha izy ny tsirairay, ny fianakaviana, ny faritra na toerana, ireo fomba amam-panao…).  Amin’izao vanim-potoana izao, misy ny Malagasy tsy mahafantatra akory ny tany niaviany. Tsy mahalala ny momba ny tanin-drazany. Tsy mahafantatra ny momba ireo razana nipoirany, sns. Tsy omen’ny malagasy sasany lanja intsony ny momba azy. Olona very fototra. Vokany, tsy omen’ny hafa lanja ihany koa satria tsy manana faka ijoroana sy mamelona.

Any amin’ny sehatra misy azy tsirairay, mila mpampianatra ny Malagasy. Manan-daja lehibe amin’izany ny eny anivon’ny ankohonana. Ny ray aman-dreny na ny zoky no miantsoroka ny fampahafantarana momba ny fianakaviana. Efa dingana goavana be raha io no vita !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: