Firenena anisan’ny manana fahalalana voajanahary maro i Madagasikara sy ny Malagasy monina ao aminy. Misy amin’izy ireny no niova endrika… Niova zavatra hafa mihitsy aza taty aoriana !
Firenena niaina tao anatin’ny lamina voajanahary ny Malagasy. Ny voajanahary na ny zavaboahary no namolavola ny maha izy azy manontolo. Iray amin’ireny ny fahalalana. Tsy mba nananany sy tsy niainany firy ny finoana fa saika niompana tamin’ny fifehezana ny fahalalana, ny fiainany andavanandro. Fantany tsara fa misy Andriamanitra Andriananahary. Fantany fa ny todin’itsy natao no niverina. Hainy fa raha mena ny faravodilanitra, misy fifandonan’ny ratsy sy ny tsara ny tontolo misy azy ka mila ravaina izany. Noho ny fahalalana nananany, hain’ny Malagasy tsara ny manisaka ny rahona na manosika ny orana tsy hilatsaka eo amin’ny faritra misy azy. Raha misy trangan-javatra tiany ho fantarina, nampiasainy ny sikidy, nolalaoviny ny fanorona, nojereny ny lalam-panahafana.
Efa nodontoina…
Na misy aza ny Malagasy nahatazona ireny fahalalana ireny, efa sarotra ny fampitana ho an’ny taranaka. Nodontoina tamin-javatra maro ny Malagasy ka tsy handairan’ny fanitsiana sy ny fampianarana loatra intsony. Iray amin’ireny ny fady izay miteraka ny hasina ka mampanjary ny hery. Tsy voahaja ny fady, hany ka nanjary narefo ny Malagasy. Fady ny mitsipa-doha laka-nitana (ray aman-dreny). Tsy mety amin’ny Malagasy sasany intsony izany amin’izao vanim-potoana izao. Zary manelingelina azy ny fisian’ny ray aman-dreny monina ao aminy ka aleony hitadiavana toby fitaizana ny antitra. Fady amin’ny razana teo aloha ny fihinanana voan-kena. « Hano fa sakafo matsiro io », hoy ny hafa… Maty sy very hasina ny fianakaviana… Mitarika any amin’ny fiarahamonina ary mipaka hatrany amin’ny firenena!
HaRy Razafindrakoto