« Nahomby ny fiaraha-miasa niarahana tamin’ireo ekipa ka nahazoam-bokatra ho an’ny fampandriana fahalemana tato anatin’ny faritra Atsinanana, nandritra ny taona 2023 hivalona afaka andro vitsy », hoy ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka Atsinanana, ny kaomisera Rakotovao Jean Christian, omaly, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety. Vokany, jiolahy 12 lavon’ny balan’ny polisy ny taona 2022 saingy niakatra ho 23 izany tamin’ity taona 2023 ity. Ny 19 amin’ireo maty voatifitry ny polisin’ny Fip notarihin’ny kaomisera Rafaliarivo Jules. Valo ny basy PA tratra sy bala 43 raha an-jatony kosa ireo zava-maranitra azo teny am-pelatanan’ny jiolahy. Antontan-taratasy 3 032 kosa no nokirakiraina teo anivon’ny polisy mpanao famotorana. Taorian’ny fampiakarana ny raharaha teny anivon’ny fampanoavana, jiolahy 1 067 naiditra am-ponja vonjimaika ka nahitana ankizy fito tamin’ireo. Nahatratra 11 kg kosa ireo rongony tratra niaraka tamin’ny rôrô 45 grama. Nohamafisin’ny talem-paritra hatrany fa tsy nampitsanga-menatra ny hetsika teo anivon’ny Borigady manokana misahana ny vehivavy sy ny ankizy, satria nahatontosa fanentanana 89 ireo polisy vavy misahana ity sampana ity. Anisan’izany ny teny amoron-dranomasina hatrany Mahavelona Foulpointe, Mahambo sy Fenoarivo Atsinanana mba ho fisorohana amin’ny loza tsy ampoizina sy ny fahaverezan-janaka. Notoloran’ny Governoran’ny Faritra Atsinanana, Rafidison Richard Théodore, fankasitrahana ny talem-paritry ny filaminana anatiny sy ny kaomandin’ny Fip, noho ny ezaka vitan’izy ireo ho an’ny fandriampahalemana.
Sajo/J.C