Tselatra

Niteraka faharatrana ho an’ny mpandeha sasantsasany ny fivadihan’ny fiara fitanteram-bahoaka tetsy Ambohidavenona Ampitatafika, omaly. Nandeha mafy io fiara io, kinanjo nisy olana tampoka teo amin’ny familiana rehefa niala olona niampita tampoka ny mpamily. Tsy nisy namoy ny ainy.

 

Lehilahy iray nikasa hamono tena indroa nisesy saingy tsy maty fa tapa-tongotra  tao Andrefan’Ambohijanahary, omaly tolakandro. Nitsoraka tao ambany fiara tsy mataho-dalana izy fa tsara hisatra io fiara io ka tsy voakasika ilay lehilahy saika hamono tena. Niverina nitsambikina tao ambany kamiao  indray izy ka tapaka ny tongony roa.

 

Omby miisa 12 tafaverin’ny zandary amin’ny tompony nandritra ny fanafihan-dahalo tao Agnalamangabe, kaominina Antsahabe, omaly maraina. Nitsoaka nandositra any anaty ala ireo dahalo rehefa nahatazana ny mpitandro filaminana ka narian’izy ireo ny omby halatra.

 

Mpivarotra rongony voasambotry ny mpitandro filaminana tao Ambohimangakely, afakomaly. Naharay loharanom-baovao ny zandary fa mivarotra zava-mahadomelina eo amin’ny tetezan’i Manambina ao an-toerana io lehilahy io. Nosavaina izy ka tratra teny aminy ny fonosana rongony 20 isa.

Partager sur: