Fantina sy fintina

Namory ireo governora rehetra ny minisitry ny Atitany. Nanteriny fa haverina ny filankevitry ny faritra. “Tanjona ny handraisana fanapahan-kevitra ho amin’ny fampandrosoana iarahana amin’ny filohan’ny Repoblika sy ny praiminisitra. Manao tatitra ny asa vita isan-telovolana koa ny rehetra”, hoy izy. .

 

Misy fanjakana ve eto ? “, hoy ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, manoloana ireo vary simba sy tsy fihinana nefa nokasaina hamidy na efa fantatry ny mpitondra aza. Eo koa ny fisolokiana avela handeha toy ny “QC Star“. Famonoana vahoaka sy fanakorontanana ireny, araka ny nambarany.

 

Nambaran’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina, fa fototry ny fahombiazana sy ny fivoarana ny asa sy ny ezaka. “Ampy izay ny fanabadoana. Nozarin’ny mpitondra tolotra mora ka tsy te hisasatra ny vahoaka ka mora andairan’ny zavatra mora azo“, hoy izy.

 

Nanamafy ireo raiamandreny ara-drazana teny Ambohidrapeto, omaly, fa tsy miova ny fitakiana sy ny tolona. “Tsy ekena koa  ny famotehana ny firenena sy ny vahoaka, efa miaina ao anaty fahantrana tanteraka. Tsy maintsy hapetraka ny tany tan-dalàna“, hoy izy ireo.

 

 

Partager sur: