Na somary mbola vitsy aza, manomboka mahafantatra sy manaja ilay fiverenana eny ifotony ny Malagasy. Mipoitra etsy sy eroa ny fifanakalozan-kevitra momba ny fomba amam-panao. Nanjary liana amin’izany resaka izany ny Malagasy. « Tsy antsika io 1 janoary io. Diso io 1 janoary io. Isika manana ny volana marsa… » ! Na izany aza, misy hatrany ireo tsy mahafoy ny nahazatra azy hatramin’izay.
“Tribunal des cailloux”. Mielipatrana hatrany am-pitandranomasina ny asa soratr’i Johary Ravaloson, “Tribunal des cailloux”. Anisan’ny ho vakina mandritra ny hetsika “Slam Sahm” izany asa soratra izany. Nofidin’ny mpikarakara manokana ity asa soratra ity noho ny endriny sy ny vontoatiny.
“We Art One”. Tanterahina anio, eny amin’ny CRAAM Ankatso, ny fampisehoana “We Art One”, iarahana amin’i Jah Roots Malagasy Revolution sy Olo Blaky. Hahazo tombony manokana ao anatin’ity fampisehoana ity ny mpankafy mozika Roots sy Reggea. Hanomboka amin’ny 6 ora hariva ny hetsika ary maimaimpoana tanteraka.
“Live Rock”. Ambohipihaonan’ny mpankafy mozika Rock ny eny amin’ny Centre commercial oriental Ankazomanga, rahampitso 31 desambra 2023. Hifampizara sehatra mandritra ity fampisehoana ity i Jacquot, Nini, Roova ary i Abass. Maimaimpoana tanteraka ary hanomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny fampisehoana.