Indray mijery

Distrika 83 ahitana tranga betsaka eto Madagasikara, ary olona miisa 15 324 583, no nisitraka fizarana fanafody faobe fanefitry ny « filariose lymphatique » na ongobe. Tafiditra amin’ny fisorohana ara-pahasalamana ny hetsika ary ao anatin’ny paikady manatona vahoaka.

Fanafoanana ireo aretina ireo alohan’ny taona 2030 no tanjona amin’ny fizarana fanafody ho an’ny daholobe.

Faritra Alaotra Mangoro. Hanaovan’ny fikambanana fanentanana momba ny fananahana ara-pahasalamana ny vehivavy manana fahasembanana. Dihy mirindra sy fanentanana no natao tao Ambatondrazaka renivohitra, nandritra ny roa andro. Tanjona koa ny tsy hanilihana ireo sokajin’olona ireo eny anivon’ny fiarahamonina sy ny biraom-panjakana.

Nitondra fanampiana ho an’i  Honoré sy Patricia, niteraka kambana efatra mirahalahy, ny Tambajotra fiarovana ny ankizy  ao Alaotra Mangoro. Tsaboina maimaimpoana amin’ny alalan’ny “fonds d’urgence” koa ireto fianakaviana ireto.

Partager sur: