Polisy 1 985 no nisahana ny fitandroana ny filaminana manerana an’Antananarivo Renivohitra, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona 2023 sy ny taom-baovao 2024. Namoaka tatitra momba ny antontan’isa teo amin’ny lafiny tsy fandriampahalemana, tao anatin’izay roa andro nankalazana ny fety izay, ny teo anivon’ny polisim-pirenena. Efatra ireo trangana vaky trano raha valo kosa ny halatra tsotra. Voasoroka mialoha ny tranga roa fikasana hangalatra. Nahitana halatra moto roa tao anatin’ny roa andro. Roa ny fatin’olona hita.
Toy ny fahita rehefa fety toy izao, misy ny lozam-pifamoivoizana. Sivy ny tranga niseho ka ny enina naharatrana olona raha namoizana ain’olona ny telo.
Mitotaly 37 ny olona voasambotra nandritra ny fankalazana ny fety. Misokajy toy izao izany raha ny tatitra nampitain’ny polisy hatrany : iray fanendahana, halatra tsotra 10, halatra moto iray, fikasana hangalatra roa, harom-paosy roa. Olona 18 nampiahiahy satria sady tsy nisy karapanondro ka voatery nanaovana fanadihadiana manokana. Olona telo mamo ankalamanjana ka nalain’ny polisy avy hatrany.
J.C