Herisetra ara-nofo: roa lahy nanolan-jaza naiditra am-ponja

Voasambotry ny polisy ny lehilahy nanolan-jaza 12 tao­na tao Tsaramandroso Man­drosoa, kaominin’i Soamaha-manina, distrikan’i Miarinarivo, afakomaly. Zanaky ny zaodahiny ihany no nararaotiny nanaovana ny filan-dratsiny. Nikarakara sakafo irery tao amin’ny trano fonenany ilay lasibatra, ny 28 desambra 2023 teo. Niditra antsokosoko tao an-trano ilay rangahy tsy valahara. Notereny hanao filàna taminy ilay ankizy tsy ampy taona. Tsy afa-nanda ity farany noho ny tahotra. Nitsoaka nandositra ilay nahavanon-doza rehefa avy nanampatra ny filàn-dratsiny. Nitaraina tamin’ny fianakaviany kosa ilay ankizy voaolana. Nokaro­hina nanomboka teo ity mpanolana saingy tsy hita popoka. Ny 1 janoary, tra-tehaky ny polisim-pirenena misahana ny fanadihadiana ao an-toerana izy. Tsy afa-nandositra intsony ity farany ary nentina nihazo ny birao natao famotorana. Voamarin’ny mpitsabo rahateo fa niharan’ny fanolanana ilay ankizy 12 taona. Mana­raka fitsaboana izy amin’izao fotoana. Notanana am-ponja vonjimaika, taorian’ny fampanoavana omaly, ilay nahavanon-doza.

Zaza 2 taona naolana

Ankoatra io, naiditra am-ponja ao Ambalatavoahangy, omaly, ny lehilahy iray nanolan-jaza roa taona, tao Toa­masina. Tsy salama saina ny renin’ilay zaza ka notaizain’ny renibeny izy. Niharan’ny fanolanana nataona lehilahy 40 taona anefa ity zaza tsy ma­nan-tsiny vao 2 taona monja ity. Ny alin’ny 25 desambra hifoha ny 26 desambra no nitrangan’izany tao Antsam­pa­nana, kaomina Mahatsara, Distrikan’i Brickaville. Norai­sina fikambanana tsy miankina iray ao an-toerana ny fikarakarana ilay zaza lasibatra.

Tsiferana R.

Partager sur: