TARATRY ny KANTO

Hivory voalohany, amin’ity taona 2024 ity, ny sokajy «Haikanto sy Hailaza», eo anivon’ny Aka­demia Malagasy. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny lahadinika roa lehibe. «Ny fanahy ao amin’ ny kalon’ny fahiny sy ny hiran’ny omaly», hiarahana amin-dRanaivoson Lucien, mpihira, mpanao gazety. «Ny endrika marolafin’ny herisetra tarafina ao amin’ny boky « Mitaraina ny tany », nosoratan’i Andry Andraina».

Anisan’ny hetsika voalohany, hisantatra ny sehatry ny IFM Analakely, amin’ity taona vaovao ity ny «Scéne Slam», hetsika karakarain’ny Madagaslam, miaraka amin’ny IFM Analakely. Ireo vao misandratra eo amin’ity taranja ity no tena omena sehatra mandritra ny hetsika. Tanjona ny hampiroborobo ny Slam.

Hetsika maro, izay maimaimpoana tanteraka, misehatra amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny haikanto no homanin’ny Fondation H, eny Ambatomena ho an’ny mpankafy azy. Anisan’ izany ny atrikasa “fanenomana” ho an’olon-dehibe, ny atrikasa “Hay” ho an’ny ankizy, ary ny fampirantiana maro samihafa.

Hahazo tombony manokana ny ankizy, ao anatin’izao atrikasa fanoratana izao. Ankoatra ny famohazana ny talentan’ireo ankizy. Tanjon’ny hetsika ny hampahafantatra amin’ ireo vondron’olona tilina, ny fomba sy paikady fanoratana tantara. Eny amin’ny IFM Analakely, ny 10 janoary 2024, no hanaovana ny hetsika.

Partager sur: