INDRAY MIJERY

Nosokafana avy hatrany ny « Centre de coordination opérationnel » miasa andro sy alina, mandrindra ny fitantanana sy fanaraha-maso ny tranga amin’ny fiatrehana ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro. Efa an-dalana mihazo an’i Morombe ny ekipan’ny BNGRC sy ny mpiara-miombon’antoka, mitondra ny fitaovana samihafa toy ny moto pompe, sns.

Olona 100 no traboina vokatry ny orambe nikija tany amin’ny fokontany Ambodirano, kaominina Andaingo, distrikan’i Moramanga, ny 29 desambra lasa teo. Efa nafindra toerana izy ireo ary notoloran’ny depiote fanampiana. Nentanina koa ireo mponina amin’ny toerana iva mba hiakatra amin’ny faritra avo, hisorohana ny famoizana aina.

Valo ny toeram-pandraisana ny traboina nomanina ho an’ny distrikan’Ikalamavony, ho fiatrehana ny rivodoza Alvaro. Nanomboka nirotsaka ny orambe omaly tamin’ny 2ora maraina. Tany Sakaraha, nahatratra 89 mm ary 45 mm ho an’i Fianarantsoa ny refin’ny rotsakorana, tao anatin’ny 24 ora.

Mbola ao anatin’ny fialantsasatra iraisana ny ankamaroan’ny orinasa tsy miankina amin’ity herinandro ity. Maro koa ireo toeram-pivarotana tsy nanokatra tsena, raha ny omaly. Nalalaka ny lalana teto an-drenivohitra, satria betsaka no lasa niova toerana, nandritra ny fialantsasatry ny Noely izay nampihena ny fiara nifamezivezy.

Partager sur: