Misy ny federasiona malagasin’ny bisikileta. Tsy mbola mitondra vokatra ho an’i Madagasikara anefa izany. Maro ny antony ka mila fitsaboana ilay taranja.
Anisan’ny taranja tsy heno firy intsony ny lazany eto Madagasikara, ny hazakazaka am-bisikileta. Raha tsiahivina, tany amin’ny taona 80 sy 90 tany no tena nampanakoako azy. Tena nampalaza an’i Madagasikara teto Afrika izany. Nanomboka ny taona 2000 kosa nihanilentika sy nihavery laza. Tsy hita tabilao intsony ny hazakazaka am-bisikileta malagasy.
Raha eo amin’ny lalaon’ny ranomasimbe Indianina (JIOI), tena osa sy marefo ny Malagasy mpihazakazaka. Tao anatin’ireo andiany telo farany, mitana ny rambony hatrany ny Malagasy. Ny andiany faha-11, natao teto Madagasikara farany teo, zara raha nahazo medaly. Nionona tamin’ny medaly alimo tokana ny malagays mpihazakazaka am-bisikileta.
Maro ny antony mahatonga izany, araka ny fanadihadiana natao. Andaniny, fohy ny fotoana hizàran’ireo atleta ny bisikileta entiny. Voalaza fa tsy mifanaraka amin’ny filàn’izy ireo ny bisikileta nomena. Tsy mahagaga ny vokatra ratsy azo. Ankilany, tsy ampy sy tena vitsy ny isan’ny fifaninanana karakarain’ny seksiona sy ny ligy ary ny federasiona. Raha misy aza ny fihaonana eto an-toerana, vitsy ny olona mahafantatra ny fisiany. Voafetra eny anivon’ireo mpiantsehatra ihany no mahafantatra. Mitarika tsy faharisiana ho an’ireo atleta izany.
Vokatr’izay, tsy ahitana Malagasy mandray anjara amin’ireny fifaninanana atsy Afrika ireny, toa ny “Tour de Ouagadougou” any Burkina Faso na “Tour de Douala” any Cameroun, sy ny sisa.
Mila fanarenana hatrany ifotony ny taranja hazakazaka am-bisikileta. Manoloana izany, mila vahaolana fohy ezaka sy malaky. Tokony homena fiofanana sahaza azy ireo mpanazatra sy ny atleta. Homanina dieny izao ny mpandimby, tsy ho an’ny mpihazakazaka ihany fa indrindra eo amin’ny fitantanana.
Tompondaka