Romain metanire : niala tao amin’ny RFC Seraing

Nanaitra ny mpitia baolina kitra ny nandre fa niala tao amin’ny RFC Seraing Belgique, ilay mpilalao baolina kitra malagasy sady vodilaharan’ny Barea de Madagascar, i Romain Metanire. Ny alatsinainy 1 janoary lasa teo, nangataka ny tenany ny hampitsaharana ny fifanarahana amin’ity ekipa ity. Nambarany fa tsy mety aminy ilay manalavitra ny vady aman-janany, izay monina any Etazonia. Na tampoka sy navesatra tamin’io ekipany io aza izany, neken’ny tomponandraikitra ny safidiny ka izao izy hiverina any Amerika izao indray. Tsy mbola fantatra kosa anefa izay ekipa hilalaovany. Raha tsiahivina, nifindra tao amin’ity ekipa ity izy ny volana septambra 2023. Nandritra izany, tsy nisy afa-tsy lalao 10 ny hany vitan’i Metanire, niaraka tamin’ny RFC Seraing.
Ankehitriny, 33 taona ny lehilahy ary anisan’ireo mpilalao andrin’ny fiarovantena ao amin’ny ekipa malagasy. Mbola anisan’ireo nanatevina ny Barea de Madagascar izy, nandritra ireo lalao 2 voalohany, tamin’ny fifanintsanana ho amin’ny lalao “Mondial 2026”.

Tompondaka

Partager sur: