Basikety : hamarana ny taona 2022 ny ligin’Analamanga

Hiavaka ny famaranana ny taom-pilalaovana 2022, amin’ ity ho an’ny ligin’Anala­manga ny basikety. Hisy ny hetsika karakaraina ny 10 sy 11 desambra izao eny amin’ ny kianja an’Ankaso, hahitana fifaninanana maro samy hafa amin’ny sokajy sy sehatra isan-karazany, araka ny fanazavan’ny filohan’ny ligin’An­a­lamanga, Andriatsima Hery, tetsy Mahamasina, omaly. Hiseho amin’ny endrika ma­romaro izany ka hisy ny fifaninanana basikety ho an’ny sokajy manomboka U10 ha­tramin’ny Seniors, eo ihany koa ny fifaninanana ho an’ny orinasa na ny “Interentrepri­ses” ary ny “Inter lycée”. Mbola mitohy hatramin’ny 7 desambra izao ny fisoratana anarana. Homena lanja ireo katitakely amin’ny “Star Kids” U10 ka hisy ekipa roa hifaninana, nalaina avy amin’ ny klioba avy eto Anala­manga, hifaninana. Tsy hadinoina ihany koa ny fifaninanana 3×3, natokana ho an’ny U10, U14, U18 ary ny Seniors.
Ankoatra izay, hoavy hilalao eto Antananarivo ny li­gin’ny Vakinankaratra sy Bon­golava, ka ireo mpilalao voatsonga no hifampitàna. Herinandro aorian’ity fifaninanana ity, mbola hisy koa ny “déjeuner dansant” karakarain’ny ligy, eny amin’ny Vil­la Verte Ambatomira­havavy, hiarahan’ireo fianakaviam­ben’ny ligin’Analamanga mifaly. Amin’io ny hanolorana ireo amboara rehetra azo nandritra ny taona 2022.

Mi.Raz

Partager sur: