Afa-po ny tamin’ny taona 2023 amin’ny ankapobeny, ireo mpisehatra amin’ny fizahantany. « Efa mifanakaiky ny vokatra azo tamin’ny taona 2019 ny zava-misy, ary manomboka miverina mitombo tsikelikely ny mpizahatany », hoy izy ireo.
Matoky ny ho avy ! Velom-panantenana ny mpisehatra isan-tsokajiny amin’ny fizahantany eto amintsika, araka ny tatitry ny gazety boky Newsletter, avoakan’ny minisiteran’ny Fizahantany. Anisan’izany ny talem-paritry ny Fizahantany (DIRTO) Alaotra Mangoro, Rasolondraibe Ralph, nilaza fa efa tsapa fa manakaiky ny taona 2019 ny tamin’ny 2023 teo. Miisa enina ny trano fiantranoana vaovao. Nohamafisina fitetezana zotra ara-pizahantany ho an’ny mpandraharaha « eductour ». Nampahafantarana ny any Andasibe, niarahana tamin’ireo mpisehatra ara-pizahantany.
Manamafy izany ny tomponandriakitry ny fizahantany ara-tontolo iainana, ao amin’ny Madagascar national Park (MNP). « Nitombo avo roa heny ny mpitsidika teto Andasibe, raha oharina ny tamin’ny 2022. Niisa 36.000 tamin’ny 2019 raha 29.000 ny janoary hatramin’ny novambra 2023, izany hoe, efa mifanakaiky ny an-tontanisa », hoy izy.
Tonga ny tatsinanana
Ho an’ny mpitari-dia matihanina, Andriamihanta Toky, « hihatsara ny sehatry ny fizahantany amin’ity taona 2024 ity, raha oharina ny tamin’ny 2022. Maro ny mpikarakara mpizahatany nanontany ny fandaharam-potoanako. Rosiana ny ankamaroan’ny mpizahatany mpanjifako, ka ny volana oktobra hatramin’ny desambra no tena fahatongavany aty Madagasikara, satria mitsoaka ny ririnina any amin’izy ireo. Fohy ny fe-potoana hijanonany aty amintsika, manodidina ny 12 andro. Tena mahaliana azy ireo ny varika malagasy, maki (Lémur Catta), ny baobab, ny tsingy, sns. Niisa 1.200 izy ireo tamin’ny 2023 raha 800 ny taona 2022 ».
Ho an-dRakotomalala Christian, mpandraharaha mpikarakara mpizahatany (tour opérateur), « Tsara ny fizahantany tamin’ny 2023. Mila tohizana ny ezaka satria efa miverina tsikelikely ny mpizahatany ».
Njaka Andriantefiarinesy
Tarehimarika 2023 :
222.848 mpitsidika ; 263 fahazoan-dalana hisokatra vaovao sy 92 taratasy hiasana (licences) nozaraina ; Miisa 20 gazety boky niresaka an’i Madagasikara ; 93 ny mpandraharaha amin’ny fizahantany nitsirika ; Indroa nandray anjara foara iraisam-pirenena : Budapest, Poznan