Nivoaka ny alakamisy lasa teo ny naoty sy ny anaran’ireo hiatrika ny famaranana, ny asabotsy 3 desambra 2022, eny amin’ny “Institut Français de Madagascar” na IFM. Miisa 7 ireo hiatrika izany famaranana izany, ahitana ny solontenan’ny Antananarivo, Toliara, Antsirabe, Toamasina ary Mahajanga. Ny «Festival international de Slam Poesie» andiany faha13 tanterahina eto Antananarivo, nanomboka ny alakamisy 24 novambra 2022 ary hifarana ny asabotsy 3 desambra 2022 izy ity.
Sahirana ny mpitsara namoaka ny lisitr’ireto hiatrika ny famaranana ireto. Samy nanana ny maha izy azy avokoa ary tena efa avo lenta tanteraka raha ny seho nataon’ny mpandray anjara. Tafakatra 99.9 ny naontin’ny voalohany ary elanelan’isa 1.3 no manelanelana ny voalohany sy ny laharana fahadimy. Efa tena tafakatra avo dia avo tokoa ny lentan’ny “Slam” eto Madagaikara raha ity andiany faha 13 ity no jerena. Tetsy ankilan’izay, voahositra ho tompondakan’ny “Slam-media” andiany faha 13, i Anja Rajaofetra. Fifaninanana izay natao ho an’ireo tsy afaka nandray anjara tamin’ny “Slam national”.
Nanambara ny tomponandraikitra fa “Tanora ny mpandray anjara, saingy voafehin’ izy ireo ny maha izy azy ny fomba fampitana hafatra amin’ny alalan’ny “Slam”. Andro iray mialoha ny famaranana. Nisy ny hetsika natao teny amin’ny “Musée de la Photo Andohalo”, teo ihany koa ny fampahafantarana sy fifaninanana “Haïku” ary fampirantina momba ny “Slam” teny amin’ny Ivontoeran’ny Kolotsaina Malagasy Antsahavola.
Lin (Mpianatra asa)