Manahirana ny hiresaka ny zava-miseho sasany eto Madagasikara, ankehitriny. Tsy maintsy velesina anefa ny vy dieny mbola mafana. Vantany vao mandray fahefana ny filohan’ny Repoblika dia hihazakazahana ny famotsipotsirana ny marina. Tanjona ny hisorohana ny mety tsy azo ihodivirana rahatrizay ka hahakofona ny fitondram-panjakana. Vao manomboka izy io dia efa maro ny resabe…
Andaniny, mahavelombolo ny vahoaka ny lalàna manenjika ny mpanolana. Nahafaly ny valalatsimandadiharona ny fampidirana am-ponja prefe, tale isan-tsokajiny. Ny fanenjehana ny jiolahy etsy sy eroa. Manginy fotsiny ny haza ny mpanao trafika azo eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Tena aoka fotsiny! Hanao be ity fitondram-panjakana ity. Iza no tsy mihoraka vantany vao misy trondro vaventy voasaringotra amin’ny afera maloto ka naiditra am-ponja? Misento tokana ireo marefo sy tsy manan-kianteherana. Aiza indray no hahita tahaka ity!
Ankilany, indrokelin’ny mpandrafitra, toa misarintsarin’ady ilay izy. Ampahan’olom-bitsy anatin’ilay tambajotran’ny mafia no iharan’ny lalàna. Misy ny mizana tsindrian’ila. Olona mpiray antontan-taratasin’ady kanefa misy ny efa naiditra am-ponja. Ny sasany mbola miedinedina eny an-dapa. Ny hafa milentika fotsiny, miala ilany tsotra izao.
Tsy anjarantsika ny mitsara. Tompon’ny teny farany amin’ny zava-drehetra ny fitsarana. Manana ny antony tsy ahafahana manenjika ilay olona koa anefa izy ireny. Misy ny olom-boafidy izay voaaron’ny lalàna amin’ilay tsy azo enjehina satria tsimatimanota. Ny tena zava-doza, haingana tsy misy toy izany ny fifampiarovan’ireny sokajin’olona ireny.
Fanambin’ny Filohan’ny Repoblika ny fanadiovana sy ny ady amin’ny kolikoly ka ho hita eo izay hafitsony amin’ny fanenjehana misimisy kokoa ny olona akaiky azy saingy vandana sy maloto.
r.r