Fanambarana hosoka: vatosoa 56,85 kg tratra teny Ivato

Nanao fanambarana diso ny karazana vatosoany ny olona dimy, ka teratany sri-lankey ny iray, omaly, teny amin’ny ladoany Mamory Ivato. Maherin’ny 56 kg ny lanjany, ka nogiazana avy hatrany.

Entina tsirihina eny amin’ ny biraon’ny fadintseranana eny Mamory Ivato daholo ny harena an-kibon’
ny tany, indrindra ny tokony haondrana any ivelany. Tonga teny an-toerana ny teratany malagasy efatra mianadahy sy teratany sri-lankey iray, na­nao ny fanambarana ny vatosoany, omaly.
Tsy nitovy anefa ny karazana vato voalazan’ny fanambarana ao anatin’ny taratasy. Satria voamarina, araka ny fitiliana, fa karazana « pierre gemme » ireo vatosoa, nefa « labradorite », « crystal » ary « quartz » no voalaza ao anatin’ny fanambarana nataon’izy ireo. Milanja 56,85 kg ny vatosoa tratra, ary nogiazana avy hatrany. Izany hoe, nolazaina fa vato indostrialy ireo entana ireo, izay mora ny haba aloa, nefa sokajy « pierre gemme », ambony karazana, ka lafo kokoa ny saran’ny haba.

Tsy sambany

Mitohy koa ny fanadihadiana ireo olona dimy mianadahy, raisina ho toy ny tompony na koa mpanondrana any ivelany, fa tsy voatery ho anisan’ny mpandeha. Tsy mbola fantatra ny firenena saika hitondrana ireo vatosoa ireo. Fandikan-dalàna, fanaovana fanambarana diso ny mety hanenjehina azy ireo, fa tsy heloka bevava.
Tsy sambany ny fandikan-dalàna tratran’ny Sampandra­harahan’ny fadintseranana amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Ao anatin’izany ny fanambarana diso ny karazan’ny entana, fa nisy koa ny fanafenana izany mihitsy.
Manamafy ny Fitantanana foibe ny fadintseranana fa tsy misy ny indrafo amin’ny fampiharana ny lalàna mifehy ny ladoany amin’ny fanaovana hosoka toy izao.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: