Karate-Tompondakan’i Afrika: nahazo medaly alimo roa i Madagasikara

Niditra an-tsehatra, nanomboka omaly ny atleta malagasy miatrika ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika any Durban. Medaly alimo miisa roa no efa norombahin’izy ireo.

Mioty vokatra sahady ireo solontena ma­lagasy any Durban, andro voalohan’ny fifaninanana, na nisy aza ny fikorontanana teo amin’ny delegasiona malagasy. Medaly alimo roa sahady no norombahin’i Ma­dagasikara, eo amin’ny sokajy Kata Cadet, tamin’ny ala­lan’Andrianaho Manda, teo amin’ny Kata, rehefa nifandona tamin’ilay karateka egyptianina, i Wafa Zeaneldin, ka tafapetraka eo amin’ny laharana fahatelo. Nahazo ny medaly alimo ihany koa Rabemanantsoa Fabio Lee, eo amin’ny sokajy Junior, kata. Mbola hitohy anio sy rahampitso ny fifaninanana ary mbola misy ny vintana hahazoana medaly fanampiny. Mafonja mantsy ny delegasiona malagasy miaro ny voninahi-pirenena any Durban satria atleta 12 no mifaninana any an-toerana. Manamafy ny filohan’ny FKM, Ratefinanahary Emile, taorian’ny dinika nifanaovana tamin’ny WKF (federasiona iraisam-pirenena) sy UFAK (Union des Fédérations Africaines de Karate), fa tsy ny atleta no diso tamin’ireny disadisa ireny ka afaka mifaninana am-pilaminana. Nam­barany ihany koa fa navondrona ho iray ny delegasiona malagasy misolo tena an’i Madagasikara any Durban. Misoratra amin’ny anaran’i Madagasikara ireo atleta 8 mianadahy ary ao amin’ny anaran’ny WKF kosa ireo atleta malagasy 4, saingy samy delegasiona malagasy ihany izy rehetra.

Hitondra fanazavana misimisy kokoa mahakasika ny lafiny ara-pitantanana eo anivon’ny federasiona malagasy ny karate, ireo mpitantana rehefa tonga eto Mada­gasikara, handaminana ny savorovoro eo anivon’ity taranja ity.

Mi.Raz

Partager sur: