Na dia efa ela nisiana aza, mbola tsy lefy laza eo amin’ny kanto malagasy i Rija Ramanantoanina sy Lalatiana sy ny kanto ataony. Mbola maro mpankafy ary ao am-bavan’ny maro ny hiran’izy ireo.
Tontosa, omaly, teny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Imahamasina, ny «Misy antony», fampisehoana niarahan’i Rija Ramanantoanina sy Lalatiana. Amin’ny ankapobeny, afa-po ny mpijery marobe. Mbola ao am-bavan’ny mpankafy ireo hira nokaloin’ i Rija Ramanantoanina sy Lalatiana. Seho maro loko rahateo no natolotra ny mpijery. Tao ny nihiran’ireto mpanakanto ireto ny hiran’izy ireo tsirairay avy. Nanakoako indray ny “Jamba”, ny “Fa iza?”, ny “Aleo”, ny “Fa sitrakao”, ny “Mila tsy”, ny “Tsy omaly”, sns, nohirain’i Rija Ramanantoanina. Tahaka izany koa ny nikaloin’i Lalatiana ny “Tia”, ny “Masoandron’ny fitia”, ny “Antson’ny manina”, sns. Nisy koa ny fampiharaham-peo nambabo ny rehetra izay nosantarin’ny hira “Nofinofy mamy”, narahin’ny “Tsiaro anao” sy “Fitiavana mamiratra”…
Anisan’ny nampiavaka ny seho “Misy antony” ny fandraisana anjaran’ny Meva Gospel. Ry zareo ireto rahateo no nanokatra ny sehatra. Tao koa ny fiarahana nihira tamin’i Lalatiana. Nampatsiahy ny tany ambadiky ny taona maro ny nandrenesana indray ny “An’iza ny masoandro?”. Nandravaka ny fampisehoana ny fahaizan’ny mpitendry zavamaneno nampifandrindra ny feo teny an-tsehatra.
Ankoatra ny hira “Taratasy ho anao” nokaloin’i Fanja Andriamanantena, niaraka tamin’i Meva Gospel, iray amin’ireo fampiaraham-peo sarotra hadinona ny notanterahin’i Rija Ramanantoanina sy i Fanja Andriamanantena ary i Lalatiana tamin’ny hira “Tiako raha ianao”.
Lin (Mpianatra asa)