Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-70 taonan’ ny Havàtsa-Upem. Nomarihina, ny 3 desambra teo, tao amin’ny Inalco Frantsa (Institut national des langues et civilisations orientales) ny «Andron’ny haisoratra malagasy». Anisan’ny nomena lanja lehibe ny maraina ny tantaran’ny haaisoratra mifandraika amin’ny tantaram-pirenena, notanterahin’i Hajaina Andrianasolo, filohan’ny Havàtsa-Upem manontolo. Tafiditra tao anatin’izany ny fandiavan’i Madagasikara ireo vanim-potoana lehibe tahaka ny fitakiana ny fahaleovantena, haisara-pitolomana, ny fanalalahana, sns. Narahina famakiana tononkalo sy karazana asa soratra samihafa, ny famakafakana. I Hanitr’Ony, filohan’ny Havàtsa-Upem sampana Frantsa kosa no nampahafantatra ny tantaran’i Odeam Rakoto, andrarezin’ny zavakanto (hira, dihy, tantara an-tsehatra…) malagasy. Ny tolakandro, nohazavain’ny Pr. Rajaonarimanana Narivelo ny momba ny sorabe. I Abel Andriarimalala kosa no nitarika ny atrikasa momba ny famoronana angano. Nisy ny fiarahana namorona izay niafara tamin’ny fitantarana ireo angano voaforona.
Marihina fa tamin’ity taona ity no nanatanterahan’ny Havàtsa-Upem ny hetsika «Havatsa-Upem mitety sampana». Fanohizana ny efa natao teto Madagasikara ity notontosaina tany Frantsa ity.
HaRy Razafindrakoto