Nihaona tamin’ny mpankafy azy, tetsy Antsahamanitra, omaly tolakandro, ny tarika Kaiamba. Seho nokarakarain’ny avy ao amin’ny Baobab Prod. Nafana ny hetsika na dia vitsy aza ny mpijery tonga teny an-toerana. Saika tazana teny an-toerana avokoa ny sokajin-taona rehetra. “Tsy lefy laza ny tarika Kaiamba, fa mbola manana ny mampiavaka azy”, hoy ny mpijery nanontaniana. “Hafa ihany ny mijery mivantana ireo tomponkira eny an-tsehatra tahak’izao”, hoy indray ny hafa. Maro ny hira tsy afaka am-bavan’ny mpankafy nataon’ny tarika, anisan’izany ny “Veloma ianao Rasely”.
Tonga nanafana ny seho ireo miangaly ny Kaiamba monina avy eto Antananarivo sy avy any Toamasina. “Hetsika hamaranana ny taona 2022 sy hiarahana miala voly ary nanomezana fahafaham-po ireo mpankafy teto Anatananarivo izy ity” hoy i Jackie Edmée, tarika Kaiamba. “Mba hanandratra avo ny ny kolontsaina malagasy sy hamelo-maso ireo kanto ela tsy heno ny tanjon’ny hetsika, ezahina ihany koa ny hizara ny kolontsaina malagasy ho an’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fampisehoana”, hoy i Haja, mpandrindra ankapobeny ny Baobab prod. Mbola hitohy ny fihaonan’ny tarika Kaiamba amin’ny mpankafy rehetra manerana ny faritra, raha ny fanazavan’ i Jackie Edméé.
Mino (Mpianatra asa)