Seho sy boky: nahasarika olona ny “Vahindanitra”

Araka ny efa nampoizina, nahaliana olona maro, mpianatra, mpampianatra, mpankafy literatiora sy mpikaroka isan-karazany ny hetsika “Vahindanitra” notantera­hin’i Riva, ny zoma 2 desambra teo tetsy amin’ny Trano­m­bokim-pirenena Anosy. An­ko­atra ny seho an-tsehatra, nomarihina tamin’ny tsangambato famoaham-boky “Vahindanitra” izany. I Ma­m­pandriniaina Manitra teo amin’ny fanentanana. Name­lona ny seho tamin’ny fiantsana ry Lafatra, Riambola Mitia, Riva… Mpihira nandravaka ny fampisehoana, i Dinah
(PazzapaIII). Nitendry zavamaneno i Tana Miranty.
Tsy afa-misaraka ny “literatiora sy Riva”. Namolavola ny sain’ny maro sy nanabe ireo mpamaky lahatsoratra, ireo sanganasany miparitaka manerana ny Nosy. Tsy hijanona fa mitohy hatrany ny seho sy fiakarana an-tsehatra ataon’ity mpanoratra manana ny maha izy azy ity. Mby ao an-tsaina avy hatrany ny riankalo, tononkalo, sombintantara… Mitohy ny lalana ho an’ny “literatiora sy Riva”.

Narilala

Partager sur: